Saika feno mpitsangatsangana avokoa ireo toerana azo nakana sary sy notsidihina teto an-drenivohitra omaly Alatsinain’ny Paska. Anisan’izany ny teny Analakely, Ambohijatovo,
ny zaridainan’Anosy, ny teny Tsimbazaza, Marais Masay….Antony nahasarika ireny mpitsangatsangana ireny tamin’ireo toerana ireo raha araka ny fanadihadiana natao ny mahaakaiky azy, indrindra fa ireo manan-janaka madinika marobe. Na nandehanana taxibe aza dia indray mandeha monja ihany raha vitana dia an-tongotra mihitsy ny an’ny sasany. Saika tsy nanana fahafahana ny handeha hitsangatsangana lavitra rahateo ny ankamaroan’ny isan-tokantrano omaly noho ny fahasahiranana ka ilay tsy nandeha mihitsy no tsy mety, ho an’ny sasany. Na izany aza tsy vitsy ihany koa ireo nijanona tao an-tokantrano nanao sakafo miavaka kely oharina amin’ny mahazatra no sady niara-nikorana tamin’ny fianakaviana. Encadree kely raha mety Tsiahivina hatrany moa fa paska faharoa omaly Alatsinainy ho an’ny mpino sasany. Alatsinain’ny Paska, fotoana tena natokana hitsangatsanganana kosa ho an’ny sasany, tohin’ny nandresen’i Jesosy Kristy ny fahafatesana ka niarahany tamin’ireo mpianany roalahy tao Emaosy teny an-dalana. Tsy nitsahatra ny nizara mofo Jesosy nandritra izany, antony nahafantaran’ireo mpianany roa ireo fa tena Izy marina ilay niaraka taminy, rehefa avy nandresy ny fahafatesana.
Legende : Maresaka lalandava Analakely raha vao andro fety
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.