Actualités

Anosizato sy Andohatapenaka. Hatsangana amin` ity taona ity ny Fly over ?


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Eo amin’ny lafin’ny asa vaventy sy ny fanajariana ny tany dia maro ny ezaka natao tamin`ny taona 2019.

 

 

 

 Lalana 800 kilaometatra no narenina. Natomboka ny fanamboarana ny RN44 mampitohy an’i Marovoay sy Vohidiala. Natomboka ihany koa ny fanamboarana ny RN5A mampitohy an’i Ambilobe sy Vohémar.Miroso ihany koa ny fanamboarana ny RN9 mampitohy an’Analamisampy sy Manjary ny fanorenana ny tetezan’i Bevoay amin’ny reniranon’i Mangoky. Efa miroso ihany koa ny fanomanana sy fandinihina ny fanarenana ny RN12A sy ny fanorenana ireo tetezana 08 mampitohy an’iny lalana iny izay mahasehika distrika telo dia Farafangana, Vangaindrano ary Taolagnaro. Ankoatra ireo, lalana mampifandray kaominina sy distrika maro eto Madagasikara no nasiam-panamboarana . Ho amin` ity taona ity, ho vitaina ireo lalam-pirenena samihafa toa an` ny RN14 Ifanadiana –Vohipeno, ampahan’ny RN12 miditra ny tananan’i Farafangana, RN11 Mahanoro-Marolambo, RN23A Anosibe An’Ala…. Ho an` Antananrivo Renivohitra dia ho laharampahamena ny tetik’asa fananganana fly-over eo Anosizato sy eo Andohatapenaka mba hanatsarana ny endriky ny Renivohitr’i Madagasikara sy hampihenana ny fitohanana lavareny dia atomboka ilay tetik’asa fananganana fly-over eo Anosizato sy eo Andohatapenaka. Ho vahaolana amin` ny fitohana tokoa ity tetikasa ity saingy efa maro ihany izany fampanantenana izany kanefa mbola tsy nisy tanteraka hatreto.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT