Anosizato Andrefana

Lehilahy 32 taona no maty an-drano


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Lehilahy iray 32 taona indray no maty an-drano teny amin' ny fokontany Anosizato Andrefana 1,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Araka ny fanadihadiana natao, hoy ny sefo fokontany eny an-toerana, Jean Nirina Rafanomezantsoa, dia nanadio dobo izy no nisy herinaratry ny JIRAMA voarainy ary izao nitarika ny fahafatesany izao. Matetika ireo zavatra kely tsy voatandrina no mahatonga ny famoizana aina toy izao, hoy ity sefo fokontany ity. Miondrika am-panajana eo anoloan'ny vatana mangatsiaka ny tenako sy ny mpiara miasa rehetra ary mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana, hoy hatrany ny sefo fokontany eny an-toerana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT