Actualités

Anosipatrana Manomboka maka toerana eny amin’ny arabe ny fako


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Mitady ho tonga eny amin’ny arabe ny fako ao Anosipatrana ao, kaominina Antananarivo renivohitra.

Efa feno tanteraka mantsy ilay toerana nofaritan’ny kaominina hanariana izany izay marihina fa manakaiky tananan’olona.Tapitra mikohoka sy voan’ny sery avokoa araka izany ny ankamaroan’ireo kilonga madinika sy olona efa nahazoazo taona monina ao amin’ity tanana kely iray ity. Hatramin’ny nirotsahan’ny ranon’orana no mankaty mantsy dia tsy miato mamoaka fofona sy gaz ireo fako ireo ka ny mpandalo aza mila tsy hahazaka izany. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra araka izany ireo mponina ireo mba hijery akaiky ny zava-misy iainan’izy ireo. Manodidina ny 90 isa eo ho eo izy ireo izay tsiahivina fa efa niakaran’ny rano ihany koa nandritra ny fiavian’ny ranon’orana tsy niato teo saingy mbola nanam-bintana ka nidina mora foana izany.
Pati
Legende : Mitady ho Andralanitrakely eny Anosipatrana amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT