ANOSIPATRANA ATSINANA

Milona ao anaty rano tanteraka ny mponina


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Milona ao anaty rano tanteraka ireo mponina eny Anosipatrana Atsinanana ,

kaominina Antananarivo renivohitra vokatry ny rotsak’orana tsy miato tato ho ato. Vao mivoaka ny varavarana dia rano no mitsena azy ireo raha araka ny fitarainan’ny mponina hany ka tonga ho azy ireo karazan’aretina toy ny sery sy ny kohoka, raha tsy lazaina intsony ny tazo mahery. Ny sakafo hohanina anefa etsy an-daniny efa tena tsy ampy hoy hatrany izy ireo noho ny fahasahiranana. Isan-kariva sisa no mba miara-mihinana izay kely hita ny isan-tokantrano fa ny ankoatra izay dia kibo rivotra hatrany no hiainana. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny olana mianjady amin’izy ireo ireo mponina eny Anosipatrana Atsinanana noho izany. Misy amin’izy ireo moa raha araka ny fantatra no efa miara-miaina amin’ny rano ao an-trano mihitsy. Tsy afa-manoatra anefa na dia reraka sy marary aza vokatry ny tsy fananana fahafahana handoa hofantranon’olona. Am-polony ireo fianakaviana efa miaina izany saingy tsy mbola misy mpijery hatreto.
Pati
Legende : Tahaka izao no hiainan’ireo mponina eny an-toerana isan’andro !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT