Miandahy miambavy ny mpanendaka eny Anosibe ary tsy ampoizina. Ramatoa avy nanontany loko teo amin’ny toeram-pivarotana iray teo Anosibe akaikin’ny tranom-piantohana MAMA no lasibatra omaly alarobia tamin’ny 12 ora antoandro
. Misy lehilahy milaza fa mpiasa ao ary afaka manamboatra ny vidin’entana. Misy ramatoa tonga tampoka mody manamafy fa hividy koa ary efa raikitra ny adivarotra. Tsitapitapitr’izay efa nisy olona hafa avy any aoriana nisintona ny poketran’ilay ramatoa voalohany. Minitra vitsy no anaovana izany. Ny mahavariana dia maro ny olona mifamezivezy eo fa tsy misy mandray andraikitra. Misy ny mody gaga, ao ny mitsetra. Ny toe-javatra toy izao dia entina hamehezana fa mahantra ny olona ka manao izay hahazoam-bola amin’ny fomba rehetra. Tsy naratra ilay vehivavy fa ny entana rehetra toy ny kara-panondro, karatra cesam sy ny vola tao anatin’ilay kitapo no nafoy niampy fitaintainana.
Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.