Nisy mpizara gazety na “crieur” nosamborin’ny polisim-pirenena omaly teny Ankorondrano omaly. Niantso ny Polisin’ny SUT Tsaralalana noho izany ny Filohan’ny Holafitra na ny OJM Atoa Gérard Rakotonirina.
Nampahafantatra fa asa mifandraika amin’ny fanaovan-gazety ny fivarotana gazety. Raha miasa ny mpanao gazety, dia tsy maintsy miasa izy ireo mivarotra izany. Efa navotsotra moa ireto mpivarotra gazety ireto taorian’ny fidirana an-tsehatra sy fampahafantarana nataon’ny Filohan’ny OJM. Tsara ny manamarika fa tafiditra ao anatin’ireo sehatr’asa miasa ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana nandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra manatsahatra ny asa aman-draharaha mandritra ny 15 andro izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.