Actualités

Ankolafy 4 Mety hihaona ihany


  • Talata 09 Martsa 2010

Mety tsy ho foana tanteraka ny fihaonan’ireo lehibena ankolafy 4 nokasaina hatao tany Addis Abeba, araka ny vaovao.

Nahemotra ihany izany, araka ny loharanom-baovao. Mety mbola hisy ihany fihaonana eo amin’i Marc Ravalomanana, Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Andry Rajoelina, miaraka amin’ireo mpanelanelana iraisam-pirenena, raha ny fanazavana ihany. Mety mialoha ny 16 martsa, izany hoe amin’io herinandro ambony io. Tsy eto an-tanindrazana, mazava ho azy, no hanatanterahana ny fihaonana. Manodidina indrindra ny fanafoanana na fanemorana io fihaonana tokony ho natao tany Addis Abeba iny dia samy manana ny heviny ireo olon-tsotra. 

Hanta : Mahakivy ! Ny sitrapony foana ve no tsy maintsy hatao ? Tsy misy vahaolana hafa mihitsy ve ? Ny GIC ve tsy afaka hanapa-kevitra satria efa tena manamafy ny fony tanteraka izy ireo ? Amiko dia aleo hilatsaka any mihitsy ny sazy satria izy ireo no efa mafy loha.
Charlie: Mampalahelo, tokony mba nandeha ihany i Andry Rajoelina. Izy rahateo efa nilaza fa na aiza na aiza ahitana fanafody ho an’i Madagasikara dia alehany izany koa naninona no tsy nandeha ? Tokony hohajaina ny sonia natao.
Jocelyn: Akaiky ny andron-dRajoelina, fotoana tokony hialany amin’izay. Isika Malagasy anefa toa tsy sahy mijoro.
Aline: Mampalahelo ny zava-misy. Ny tsy fisian’iny dia mety hitarika korontana indray. Ho hita eo raha tsy hanatanteraka ny satan’i Maputo ry zareo e ! Hany vahaolana hitako dia mila mijoro isika. Rehefa tsy hanaiky hanatanteraka ny satan’i Maputo koa ry zareo dia tokony hatsangan’ireo vonona izany tetezamita iraisana izany.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT