ANKIZY NANAO KIVADIVADY

Niafara tamin’ny fanolanana zaza 8 taona


  • Zoma 14 Martsa 2025

Voatery nafindra ao amin’ny CHRR II Salfa ao an-drenivohitr’i Vohemar omaly Alakamisy 13 Martsa

raha araka ny vaovao azo ilay zazavavy kely vao 8 taona monja naolana zazalahy kely iray 12 taona. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny datin’ny 03 Martsa lasa teo no nitrangan’izany. Nentin’izy ireo ho toy ny kilalao izany niampy ny zavatra efa hitan’ilay zazalahy kely amin’ny vata fahitalavitra… ka nahavoamafy ilay zazavavy kely. Vaotery naiditra hopitaly tao amin’ny CSB II Deraina Vohemar mihitsy moa ilay zaza izay nafindra ao amin’ny CHRR II indray mba hanaraka fitsaboana. Fantatra moa fa efa mandray ny andraikiny ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Mety sy tsara raha omena ny fanabeazana sahaza azy hatrany ny zaza ao an-tokantrano ao. Ezahina ihany koa ny tsy hijereny ireo karazana horonantsary mamoafady mandeha amin’ny vata fahitalavitra na koa ny hataon’ny Ray aman-dReny hisorohana ny tranga mampalahelo tahaka izao.
Pati
Legende : Manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly tahaka izao ilay zazavavy kely !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT