ANKIZY MPIANATRA MANAO SIPA

Kilasy faha-6 dia efa misy mahavita mamono tena ny sasany


  • Talata 18 Martsa 2025

Kely dia miroso aloha loatra amin’ny resa-pitiavana ny ankizy eto amintsika.

Manomboka ao amin’ny kilasy faha-6 izany hoe : vao afa-panadinana CEPE ny sasany dia efa misy miroboka lalina ka misy mahavita mamono tena mihitsy ny sasany. Sekoly tsy miankina iray eto an-drenivohitra no nisehoan’ny tantara. Tovovavy kely iray tsara tarehy no nampirafy tovolahy miisa 2 iray kilasy aminy ao amin’ny kilasy faha-6. Tsy nahavita nanafina izany intsony itsy voalohany ka niteny tamin’ilay tovolahy iray niarahany hatramin’izay fa miaraka amin’ny H…. ihany koa izy. Tena nasehon’io tovovavy io tamin’ny alalan’ny fihetsika mihitsy izany nandritra ny fotoana fakan-drivotra ka narary mafy vokatr’izany ny fon’ilay iraikalahy taloha. Tsy nijanona teo ny tantara fa nikasa ny hamono tena mihitsy ity farany saingy tratran’ireo namany ny fotoana saika handrapahany ireo karazam-panafody marobe teny an-tanany nony ampitso. Nafindran’ireo Ray aman-dReniny fianarana mihitsy moa io zazalahy io taorian’ny zava-nitranga. Tena tsy mora ny mitaiza sy manabe ankizy mpianatra amin’izao. Arahin’ny fivoaran’ny teknolojia sy ny zavatra hitan’ny mason’ireo mpianatra isan’andro izany na anaty finday na ao an-tokantrano ao ka tena misy fiantraikany goavana amin’ny fiainan’izy ireo. Manodidina ny 12 taona eo ho eo ireo ankizy mpianatra ireo.
Pati
Legende : Tsy tokony hiditra amin’ny resa-pitiavana ny tanora mpianatra raha tsy efa afa-panadinana Bakalorea !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT