ANKIZIVAVY MIVARO-TENA ETO IARIVO

Mpianatra ny ankamaroany, manofa trano


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Mbola mpianatra ny ankamaroan’ireo tovovavy mpivaro-tena amin’ny tambajotran-tserasera Facebook eto amintsika.

Manomboka amin’ny kilasy fahafolo eo ho eo izy ireo raha kilasy famaranana ny ankamaroany izany hoe : hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Fomba fiasan’izy ireo raha araka ny resaka nifanaovana tamina tovovavy kely iray ny fanofana trano hikambanana. Eo amin’ny 100.000 Ar ka hatramin’ny 120.000 Ar eo ho eo no hofan’izany tsy mitsofoka anaty tananabe nefa mba azo antoka ihany koa ny fandriampahalemana. Dimy na 6 mirahavavy eo ho eo izy ireo no mitambatra amin’izany, mandoa 20.000 Ar avy isam-bolana. Tsinjaraina ihany koa ny ora isan’andro ka izay mahazo mpanjifa dia mitondra ilay lehilahy ao amin’io trano hofaina io. Miandry toro indray ny sasany dia tahaka izany hatrany. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia mpanjifa iray isan’andro no azon’izy ireo raha faran’izay tsy misy. Amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera Facebook no hisarihany azy ireny ankoatra ireo efa mahalala ary tonga amin’ny fotoana hifanarahana. Hanaovany lamaody, hanamboarana volo, hividianana finday avo lenta….kosa ny vola azo avy amin’izany. Betsaka amin’izy ireo moa no tsy fantatry ny Ray aman-dReniny akory fa mandeha mivaro-tena no hivoahany ny trano isan’andro fa tsy tena hianatra tsara intsony.
Pati
Legende : Tsy vitan’ny 20.000 Ar amin’ny famarotan’izy ireny ny tenany anefa ny fitsaboana ireo karazan’aretina azony avy amin’ny firaisana ara-nofo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT