ANKIZIVAVY BEVOHOKA 7 VOLANA

Nofirain’ny havam-badiny ny antsy, ahiana ho afa-jaza


  • Alakamisy 03 Oktobra 2024

Ankizivavy vao 26 taona monja, bevohoka 7 volana no fantatra fa nofirain’ny havam-badiny

tamin’ny antsy teo amin'ny lohany sy ny tanany tany Tsararivotra Ambalaroka , distrikan’i Manakara afak’omaly Talata 01 Okotobra tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Tapaka tanteraka vokatr’izany ny tananan’ilay ankizivavy ka tsy maintsy ilana fandidiana ao amin’ny hopitaliben’i Manakara. Raha araka ny fantatra dia tsy nisy ny olana na fifamaliana teo amin’izy ireo. Fialonana tsotra izao no antony raha araka ny fanazavam-badin’ity tovovavy ity sy ny rahavavin-dReniny. Voka-dratsy mety ho aterak’ity tranga ity moa ny fahafantarana fa very ra be ilay tovovavy, antony mety hahafa-jaza azy.Miantso fanampiana ny amin'ny fitsaboana sy fandraisana andraikitra manoloana ny heritsetra nahazo ny zanany ireo fianakaviana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana kosa ny raharaha.
Pati
Legende : Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly tahaka izao ilay tovovavy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT