Nahitana grenady mahery vaika tao Ankisirasira, Morondava. Tao anaty « sachet » mainty io fitaovam-piadiana mahery vaika, vita sôvietika, io ary ankizy nilalao no nahita azy ny tolakandron’ny sabotsy teo,
ka nampahafantatra ny fisiany tamin’ny Polisy iray sendra nandalo handeha hiasa. Toerana filalaovan’ny ankizy Ankisirasira rehefa tsy miakatra ny ranomasina. Soa fa tsy nikitikitika izy ireo raha tsy zany zava-doza no mety nitranga raha nipoaka tampoka ilay grenady mahery vaika. Napetraka amin’ny toby miaramila moa ilay grenady, nanokatra fanadihadiana ny amin’ny antony nahatongavan’io fitaovam-piadiana io teo an-toerana ny mpitandro filaminana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.