Actualités

ANKIRIHIRY AVARATRA TOAMASINA Lehilahy mamo lava nanakenda ka nahafaty ny vadiny


  • Talata 09 Septambra 2014

Maty nokendain’ingahy Stephan, lehilahy 30 taona ny vadiny antsoina hoe Francia 19 taona. Tao Ankirihiry avaratra P/elle 11/58 misy ny fonenan’izy ireo no nitrangan’ny famonoana, tokony ho tamin’ny 7ora latsaka fahefany maraina

Vao nahita ny vadiny tsy niaina intsony ingahy Stephan dia nitsoaka ka karohan’ny mpitandro ny filaminana fatratra amin’izao fotoana. Voatery nosamborina mihitsy moa ny havany akaiky noho ireto farany heverina fa nanamora ny fandosiran’ity tovolahy ity. Raha ny fanazavan’ireo mponina manodidina mahalala tsara azy roa ireto, dia mpiady matetika izy ireo noho ity tovolahy ity mamo lava nefa mahery setra raha vao mahazo toaka. Na teo aza io olana misy amin’izy roa kely ireto dia tsy mihevitra ny ho tonga amin’izao famonoana izao ny manodidina azy ireo. An-kilan’izay, manana sakaiza maro koa ingahy Stephan ity, ka efa nisy fotoana nidarohan’ny rafivaviny an’i Francia saingy tsy maty ny tenany fa naratra mafy. Ankoatra izay, dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana nitondrana kalaky telo koa tao amina tokantrano iray tao Valpinson ny alahady teo. Tany am-piangonana ny tompon-trano, ny mpanampy irery no tao an-trano ka niditra ireto jiolahy nandrahona ilay mpanampy ary nanao izay tiany tao an-trano raha tafaporitsaka tampoka ilay mpanampy ka niantso mpitandro ny filaminana. Niisa 4 izy ireo raha ny vaovao. Tafaporitsaka ny 3 nitondra ny basy kalaky sy nitondra ireo entana nangalariny, tratra ambodiomby kosa ny iray izay voahidy tao an-trano ka tsy afa-nitsoaka intsony.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT