Mirongatra indray ny doro tanety any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tany 3 ha no ripaky ny afo afak’omaly alina, tany vao avy novolena zana-kazo tamin’ny taona 2019 lasa teo.
Mirefy 8 ha no totalin’ny tany novolena zana-kazo tamin’izany, raha ny vaovao azo ka ny 5 ha sisa araka izany no azo antenaina. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany dia manomboka amin’ny 10 ora alina no tena hitrangan’ity doro tanety any Ankazobe ity hatramin’ny 1 ora maraina. Miredarera mihitsy izany vokatry ny tandrevaka hataon’ireo olona tsy mataho-tody. Nisy mihitsy moa ny vaovao azo fa misy olona manao fanahiniana mandoro tanety any amin’ity distrika iray ity. Ho hentitra araka izany ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana hanara-maso ireo mpandoro tanety any an-toerana. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny fokonolona hahafahana miaro ireo velaran-tany 5 ha vao avy novolena zana-kazo sisa tavela sy ireo tanety ambiny sisa rehetra
. Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.