Mitady hiverina indray ny fanakanan-dalana amin’iny lalam-pirenena faha-4 eo anivon’ny distrikan’Ankazobe, hoy ny olom-boafidy any an-toerana mamita iraka aty an-drenivohitra.
Manjaka ny halatra omby sy ny asan-dahalo tao ho ao, hoy izy, ary miaraka amin’ny herisetra isan-karazany mihitsy izany ary tonga hatramin’ny fakana takalon’aina ny zanak’ireo tompona omby mihitsy mba hanerana azy ireo hamoaka volabe. Mihorohoro mihitsy ohatra ny any Kiangara, ny any Tsaramandroso … Efa mba manao izay ho afany ihany ny zandary sy ny miaramila any an-toerana amin’ny fampandriana fahalemana ny tany saingy tsy ampy fitaovana izy ireo manoloana ny fitondran’ireo olon-dratsy fitaovana raitra toy ny basy sy ny hafa koa. Toy ny any amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy dia mila paikady matotra amin’ny fitondrana mahefa ny fitandrovana ny fandriampahalemana any Ankazobe fa manjary mampiraviravy tanana ny vahoaka mpamokatra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.