Hatramin’ny ora nanoratana dia tsy mbola nandrenesam-peo ny avy ao amin’ny fitondra-panjakana mikasika ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka eny Ankatso izay efa tohanan’ny mpianatra ihany ankehitriny.
Noho izany dia nanamafy ireo mpianatra omaly fa hiaraka hanao ilay hetsika sit-in eny amin’ny Esplanade Ankatso androany. « Efa tolona iraha-manana izy ity ankehitriny ka tsy miverin-dalàna intsony” hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny sampana fitantanana. Hanampy ireo mpianatra ao amin’ny sampana fitantanana ny avy ao amin’ny siansa sy ny sampana tekninka. Omaly hariva dia efa nivory teny Ankatso ny mpampianatra tao amin’ny Seces sasany niaraka tamin’ny solotenan’ny mpianatra avy tao amin’ny sampana fitantanana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.