Nanenjana ny hetsika fitakiana ny hampakarana 100% ny vatsim-pianarana ny mpianatra teny Ankatso omaly
Nisy fandoran-javatra, narahina tora-bato. Niditra ny faritry ny oniversite ary nitifitra baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ao amin’ny Emmo-Reg nanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nitohy tamin’ny fisamborana izany avy eo. Telo no voasambotra. Navotsotra ihany anefa izy ireo taorian’ny fananarana sy ny fandraisana ny mombamomba natao azy ireo. Manoloana ny zava-miseho dia namoaka fanambarana ny Seces Sampana Antananarivo manameloka ny fanitsakitsahana ny «franchise universitaire» izay nataon’ny Mpitondra fanjakana ambony ka nampiditra ny EMMOREG ao anatin’ny faritry ny Oniversite ary mitaky ny hamahana faran’izay haingana, amin’ny alalan’ny fifampidinihana sy fampahafantarana samihafa, ireo olana fototra mahatonga savorovoro sy mitarika korontana eny amin’ny toeram-pianarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.