Ankatoky ny fotoam-pizahantany, fetim-pirenena, SADC

Fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo no malaza


  • Zoma 20 Jona 2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

avy nihinana karazan-kena na «charcuteries». Olona 6 tao Toamasina no narary mafy, rehefa avy nihinana godrogodro amin’ny sokola. 19 no maty teto Antananarivo rehefa avy nisakafo tanatina fankalazàna tsingerintaona teny Ambohimalaza, 28 manaraka fitsaboana. Izay izany tamin’ny ankapobeny ireo tranga tena nampalahelo sy nampivarahontsana tamin’ity herinandro ity, raha ireo matoam-baovao mikasika ny zava-misy ankehitriny eto Madagasikara no resahina. Resaka fanapoizinana ara-tsakafo na hoe «empoisonnement alimentaire» no voalaza fa nitranga teto afovoantany raha toa ka «fahapoizinana» na «intoxication» kosa ireo tany amin’ny faritra. Fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo ao anatin’izao akatoky ny fotoam-pizahantany izao, heverina fa tsy endrika tsara ho an’i Madagasikara mihitsy izany. Mialohan’ny antsoina ihany koa hoe fetim-pirenena no hitrangan’izany rehetra izany ary eo moa no mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro hoe ampy ve ny fahanginana iray minitra dia avy eo nitohy tamin’ny fety be nandritry ny «podium» na fampisehoana tetsy Analakely manoloana izany voina naha tohiny ny mpiray tanindrazana maro izany? Eny fa na ireo vahiny aza tohina toy izany ihany koa satria resaka nihatra aman’aina ity raharaha ity. Sao dia mba tokony hisy fisaonam-pirenena mihitsy aloha? Mialohana fihaonambe iraisampirenena na ny fihaonamben’ny SADC ihany koa isika amin’izao miresaka izao ary izany rehetra izany no mitranga ankehitriny. Na tiana na tsy tiana dia heverina fa simba teo imason’izao tontolo izao indray aloha ny endrik’i Madagasikara tao anatin’izany rehetra izany. Asa hoe inona no hitranga rehefa tonga izay fotoana tokony hampiroborobo ny tsena iraisampirenena sy ny fiharian’ireo olompirenena malagasy tokony hisitraka izany ato ho ato nanoloana ireny tranga tena nampalahelo ireny satria na teo aza ny fahoriana dia tsy afaka ny hilofika ny miankandrefam-baravarana, hoy ny fitenin’ireo raiamandreny izay, fa tsy maintsy mitohy ny fiainana? Ireo nodimandry heverina ho efa nahavita ny adidiny tety ambany masoandro saingy sanatria ho tonga amin’ilay fomba fiteny hoe maty fahavelona kosa ve nefa ireo mbola tsy maintsy miatrika izay tohin’ny adidin’izy ireo izay? Akatoky ny fotoam-pizahantany, fetim-pirenena, fandraisana ny SADC. Fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo no malaza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT