ANKATOKY NY FETY

Misy mangalatra hatramin’ny vary eny an-tsaha


  • Talata 24 Desambra 2024

Misy mangalatra hatramin’ny vary mbola tsy voajinja eny an-tsaha amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.

Olona maro no nitaraina mikasika izany variny misy mijinja izany eny amin’ireo tanimbary an-kavia sy an-kavanan’ny digy miazo an’i Fenoarivo, Atsimondrano. Hanaovan’ireo mpangalatra latsak’alina ny vary ary raofiny ireo efa masaka dia hampatoriany ny tahony avy eo. Tsy mahalala ny tompony noho izany fa heveriny ho tena matory tokoa ireo vary kinanjo izay lalovan’ireo mpanao ratsy dia efa tsy misy vaoniny intsony. Marihina moa fa maro amin’ireo vary hambolena eny amin’iny faritra iny no efa tena masaka avokoa ny ankamaroany na dia tsy misy ranon’orana aza. Tsy fantatra anefa na fantatry ny tompony izany na tsia fa mbola tsy misy mijinja ny ankamaroan’izy ireny hany ka maka fanahy ireo mpanao ratsy fotsiny. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo mpamboly vary eny amin’iny faritra iny mba samy ho avy hijery ny variny. Mety ny mpangalatra mantsy no ho voky mialohan’izy ireny raha tsy misy ny fanaraha-maso. Ny kapoakam-bary rahateo efa mananika ny 1100 Ar ny iray kapoaka eny an-tsena.
Pati
Legende : Ho lanin’ny mpangalatra ety am-potony itony vary efa masaka mbola tsy voajinja itony raha mitohy izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT