ANKATOKY NY 26 JONA

Mbola tena maina ny tsenan’ny sainam-pirenena


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Mbola tena maina ny tsenan’ny sainam-pirenena amin’izao raha araka ny

resaka nifanaovana tamin’ny mpivarotra iray tetsy Analakely. Ny mpanontany no betsaka hoy izy na dia efa hanomboka anio Alakamisy 06 Jona aza ny fananganan-tsaina amim-pomba ofisialy manerana ny Nosy. Etsy an-danin’izay nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ny sainam-pirenena. Raha 3.000 Ar ireo kely indrindra tamin’ny taon-dasa dia niakatra ho 5.000 Ar izany amin’izao. 30.000 Ar kosa no lafo indrindra miankina amin’ny habeny sy ny kalitaon’ilay lamba. Taratry ny fahasahiranan’ny Malagasy avokoa izany rehetra izany. Mbola ny sakafo hohanina isan’andro mantsy aloha no mahamaika ny rehetra amin’izao fa ny ankoatra izay dia mbola afaka miandry avokoa. Tsiahivina fa efa ho iray volana izao no hita teny an-tsena ny sainam-pirenena. Mbola mikaikaika hatrany ireo mpivarotra hatreto, tranga izay ahiana hitohy noho ny fahasorenan’ny vahoaka amin’izao fitondrana mijoro izao.
Pati
Legende : Jerem-potsiny aloha ny sainam-pirenena hatreto eny an-tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT