Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny kaominina ambanivohitra Ankafina Tsimafody, distrikan’Ambalavao.
Tapitra lasan’ireo dahalo ny ombin’ireo tantsaha mpamokatra hany ka tsy misy manana intsony izy ireo na dia iray aza. Lasa ny olombelona ahitana zaza amam-behivavy araka izany no mirotsaka an-tsehatra misolo tena ny omby manao ny asa fivelomana amin’ny andavanandro. Anisan’izany ny fitaterana ny vokatra mankany an-tsena amin’ny alalan’ny sarety. Tadibe no hampiasain’izy ireo hifampitohizana ka ny lehilahy no lohalaharana raha manaraka manampy tosika avy ao anelanelany kosa ny vehivavy izay vao manaraka ny sarety. Nomarihin’ireo mponina any an-toerana moa fa tsy mbola nisy ireo tompon’andraikitra nijery ny olan’izy ireo hatreto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.