ANKADINDRAMAMY

Zazakely narian-dRay aman-dReniny teny amoron-dalana


  • Talata 05 Desambra 2023

Zazavavy kely iray manodidina ny 3 taona sy tapany eo ho eo no narian-dRay aman-dReniny

teny Ankadindramamy omaly Alatsinainy 04 Desambra tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro. Efa mahay miteny io zaza tsy manan-tsiny io. Raha araka ny feo nandeha teny an-toerana ho an’ireo olona mahalala ity zaza tsy manan-tsiny ity dia izany Bebera dokera izany no Rainy saingy lasa nitsoaka. Nanjavona ihany koa ilay Reniny hoy hatrany ny vaovao niparitaka teny an-toerana fa tsy mety hamelona azy. Narian’izy mivady teny amoron-dalana araka izany ity zaza ity ary mbola hita teny an-toerana hatramin’ny omaly hariva tokony ho tamin’ny 05 ora. Efa nisy moa ny fampahafantarana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny an-toerana mikasika ity tranga mampalahelo ity.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny nisy nanary teny Ankadindramamy omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT