Actualités

Ankadimbahoaka Nitsoraka tany an-tranon’olona ilay taksibe.


  • Talata 05 Aogositra 2014

Namoa-tsampona indray ny taksibe ! Zotra iray 199 mampitohy an’Analakely amin’Ankadimbahoaka omaly no nifatratra tany an-tranon’olona

. Voalaza fa ny mpamily mpanampy  no nitondra ny fiara tamin’io izay tsy manana taratasy fahazoan-dalana akory. Voalaza fa avy any Tsimbazaza  ity  taksibe ity no sendra izao loza izao. Potika tanteraka ny motera sy ny teo alohan’ity fiara ity.  Soa  fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy  fa ny fahavoazana no iray lavaka.  Samy tsy afa-maina na ilay mpamily na ilay mpanampy azy. Manoloana izany dia mangataka ireo olona  nahita mba handraisana fepetra hentitra ny amin’ireo fiara tsy ara-dalàna sy ireo  mpamily manao kitoatoa satria ireny ihany no mitarika ny loza matetika, hoy izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT