Actualités

Ankadimbahoaka Hanorin-trano ireo traboina


  • Talata 17 Jona 2014

Tsy navelan’ny fikambanana Voarabe nandalo foana ny fanamarihana ny fetin’ny ray 2014 fa nanatanterahana hetsika hafa kely ho fanampiana ireo raim-pianakaviana traboina eny Ankadimbahoaka izy ireo.

 “Tsy nahita fifaliana tamin’ny fety mihitsy ireo ray sy ny fianakaviany tao Ankadimbahoaka noho ny tsy fisian’ny trano hialofany akory”, hoy ny filohan’ny fikambanana Voarabe, Rasambozafy Cyrille, “ka niantso ny mpiray monina tsy an-kanavaka, hanao tsipaipaika ka hanolotra biriky telo avy isan’olona hatolotra an’ireo rava trano ireo”. Fanehoana ny firaisankina raketin’ny soatoavina Malagasy no anton’izao hetsika nataon’ny Voarabe izao. Tokony hovonjena araka izay eo am-pelatanana ny mpiarabelona amin’ny tena, hoy Atoa Rasambozafy Cyrille, fa hitanay Voarabe ho manadino azy ireo ny tomponandraiki-panjakana. Eny amin’ny Foiben’ny Voarabe Cités des 67 ha Atsimo na eny Ankadimbahoaka mivantana no fanaterana ireo biriky telo “tolotanana” ireo araka ny fanazavana azo ihany. Nofidianay manokana ny andro alahady fetin’ny ray hanombohana ity hetsika ity, hoy ny filohan’ny Voarabe, mba hahatsiarovana fa manomboka izao dia “tsy tokony ho Ankadimbahoaka rava trano intsony no horesahina, fa Ankadimbahoaka manangan-trano”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT