ANKADIMANGA AMBOHIDRAPETO

Olona 4 naka foza orana indray maty an-drano


  • Talata 29 Aprily 2025

Tsy mitsahatra maka olona ny rano eto amintsika. Taorian’ilay tranga nampalahelo tany

Mantasoa nahafatesana olona miisa 3 sy ilay tany Mahajanga nahafatesana mpianatra 5 dia olona miisa 4 indray ihany koa no niara-maty an-drano teny Ankadimanga Ambohidrapeto afak’omaly Alahady 27 Aprily. Raha araka ny fantatra dia teny amin'ny tanimbary Andrambita, Fokontany Ambohimidasy no nitrangan’izany ka zazavavy kely 8 taona sy ny zokiny 13 taona ny roa tamin’izy ireo izany hoe : iraitampo.Dadatoan'izy ireo kosa ny lehilahy iray raha lehilahy efa lehibe ihany koa ilay iray farany. Naka foza orana moa no antony nahafaty azy ireo. Tafiditra tamin’ny toerana lalina izy 4 mianaka ka samy tsy nisy tafavoaka. Tsiahivina fa fotoanan’ny foza orana izao eny Atsimondrano eny. 2.000 Ar no hamarotan’ny mpivarotra ny iray kapoaka, antony mampamono tena ny olona tahaka izao maka azy ireny ary hamidy avy eo. Alevina anio Talata ny razana raha araka ny fantatra.
Pati
Legende : Ireo razana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT