Mitombo hatrany ireo trangana habibiana eto amintsika. Renim-pianakaviana iray 21 taona no naolana lehilahy tsy fantatra ny 29 septambra lasa teo tany amin’ny Fokontany sy kaominina Marovazaha, distrikan’Anjozorobe.
Teny an-tanimboly no nanaovan’ilay tsy mataho-tody izany tamin’ny andro atoandro ary mbola nalainy an-keriny ihany koa ny zanak’ilay Ramatoa vao 2 taona monja. Soa ihany anefa fa niantso vonjy nikiakiana ity Ramatoa ity antony nahatraran’ny fokonolona ilay lehilahy Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ity farany ka naratra mafy. Voatery nentina teny anivon’ny CSB II ny anao lahy mba hotsaboina. Efa noraisin’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana an-tanana moa ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.