ANJIAJIA ANALALAVA

Dibo-drano tanteraka


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Efa tafakatra 3.000 mahery ireo traboina any amin’ny distrikan’Analalava

hatramin’ny omaly Alarobia 24 Janoary. Taorian’ireo traboina miisa 2.000 vokatry ny ora-mikija tany an-toerana mantsy dia dibo-drano tanteraka indray omaly ny kaominina ambanivohitr’Anjiajia. Trano 333 tafo no tototry ny rano raha tapitra maty avokoa ny akoho amam-borona sy ny omby. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tananan’Anjiajia dia tsy voaisa intsony ireto farany. Ho azy sy ny ankohonany dia efa eny ambony tafo sisa izy ireo no miandry lakana mba hanavotra fa difotry ny rano tanteraka ny tranony. Toraka izany koa ireo fianakaviana hafa izay tena ahiana tanteraka ny ainy. Efa mipaka any amin’ny lalam-pirenena fahaenina ihany koa ny haavon’ny rano hoy hatrany izy koa hanaovany antso avo amin’ny Fitondram-panjakana. Mihoatra ny 60 isa moa ireo lakana tsy hita hatramin’ny omaly raha miisa 100 ireo simba. Potika tanteraka ny asa fiharian’ny mponina sy ireo hany mba fananana keliny nohariany.
Pati
Legende : Efa tonga hatreny amin’ny tafo tahaka izao ny haavon’ny rano ao Anjiajia ao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT