Actualités

Anjanahary Tratra ilay mpampiasa lakile « passe-partout »


  • Talata 30 Jona 2020

Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny polisim-pirenena amin’ny fampandriana fahalemana sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

 

 

 

 

Nohamafisina izany nandritra ny fiatrehana ny fankalazana ny fetim-pirenena teo ka ny 25 jona tokony ho tamin’ny dimy ora latsaka fahefany maraina dia tovolahy iray no tratrany teny Anjanahary. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy teny an-toerana no nahitana azy io ho mailo dia mailo tokoa, niafina tao ambadiky ny fiara mijanona amin’ny sisin-dalana ary saika hitsoaka. Avy hatrany dia nosakanana tsy navela nandeha anefa izy ka rehefa nosavaina dia nahatrarana fausse-clé passe-partout sy clé ary tournevis izay marihina fa fitaovana fampiasan’io olon-dratsy io amin’ny fangalarana fiara na moto an’olona avokoa. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy izy nanaovana fanadihadiana. Omaly kosa no natolotra ny fampanoavana ny lehilahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT