Hanangana tranom-paty vaovao eny Anjanahary ny kaominin’Antananarivo renivohitra, hoy n ben’ny Tanana Naina Andriantsitohaina.
Fantatra izany omaly maraina nandritra ny fitsidihina notanterahina teny amin’ny fasana eny Anjanahary. Ankoatra izay dia nijery ny foto-drafitrasa rehetra misy eo amin’ity toerana ity ihany koa ny Ben’ny tanana sy ireo delegasionina notarihiny. Anisan’izany ny trano hipetrahan’ny mpiambina eny an-toerana izay efa potika tanteraka ny atiny sy ny ivelany. Toraka izany koa ny toeram-pivoahana izay efa tsy misy varavarana intsony…. Amboarina ihany koa araka izany ireto farany hamerenana ny hasin’ny tananan’Antananarivo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.