Angovo tsizarizary, delestazy mandavan-taona

Revin-gadra ilay indostria kitro ifaharan’ny fampandrosoana


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Miverina amin’ny heriny tanteraka ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina.

Mipetraka ho fialana bala lava ny tsy fisian’ny rotsak’orana. « Taorian’ny rotsak’orana nandritra ny andro vitsivitsy ka nahafahana nampihena ny fahatapahan-jiro mifandimby teto Antananarivo sy ny manodidina, dia niato indray izany, araka ny hita amin’izao fotoana izao », hoy ny Jirama. Noho izany, miha-mihena indray ny ahavon'ireo tohodrano mpamokatra herinaratra ka mahatonga tsy fahampian'ny vokatra tsinjaraina eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza noho izany ny Jirama fa voatery mampihatra fahatapahan-jiro mifandimby mandritra ny ora telo isaky ny fahatapahana ny JIRAMA. Ho an’ny omaly 21 janoary, rakotra tanteraka ny lisitry ny Jirama, an-jatony maromaro ny tanàna tapaka herinaratra. Niditra fahatapahana in’efatra miantoana : tamin’ny 12 ora atoandro hatramin’ny 3ora tolakandro ; tamin’ny 3ora tolakandro hatramin’ny 6ora hariva ; tamin’ny 5ora hariva hatramin’ny 8ora alina ; tamin’ny 6ora hariva hatramin’ny 8ora alina. Tsy misy vahaolana hatrany fa ny serasera efa diska goaka no ezahana atosaka amin’ny vahoaka. Angaha izao vao misy fotoanan’ny main-tany ? Izany ve no andrasan’ny olona sa vahaolana maharitra ? Na ny ampahan’ny fitaovana hamokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro tao Toamasina aza nisy 8 kaontenera nanaovan’ny ladoany fampahafantarana hatao lavanty ? Tsy tena mbola hita manangasanga ny vahaolana maharitra sy tanisaina lava, kanefa efa miditra taom-piasana faharoa, ankoatra ny nolazaina tany amin’ny tetezamita raha tsy hilaza afatsy ny « éolienne ». Asa mbola tadidin’ny Filoham-pirenena ve ny nilazany ny janoary 2022 fa afaka enina ka hatramin’ny 6 volana dia hivaha ny delestazy ? Nivadika 6 ka hatramin’ny 8 taona manomboka amin’ity taom-piasana ity ? Tsy nahomby sa tsy misy vola ny fanodinana ireo milina mandeha amin’ny solika nampanantenana fa tsy hisiana delestazy intsony ao anatin’ny ora fiasana (amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 10 ora alina) ? Tafiditra anatin’ireo andry 3 lazaina fa hifotoran’ny Fanjakana amin’ity taona ity ny tontolon’ny indostria sy ny fanodinana ara-pambolena ka mifanaraka amin’izany ve ny tontolon’ny angovo izay tena stratejika be ? Mivadika ho revin-gadra satria rehefa tsizarizary ny herinaratra, dia resy manaraka azy ny tontolon’ny indostria ! Vao ny herinandro teo no nihaona tamin’ireo mpandraharaha tanora sy nilaza fa eo anilan’izy ireo sy mitsinjo azy ireo ka moa tena ahafahan’ny orinasa mivelatra ve ny tontolon’ny angovo eto ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT