Angovo mamono fa tsy mamokatra

Miantso vonjy ny sehatra tsy miankina


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Tao anatin’ny taona maro, niharan’ny delestazy noho ny fitsitsiana

ara-ekonomika sy ara-teknikan’ny Jirama ny sehatra tsy miankina, izay niantraika tamin’ny fifaninana sy ny fahafaha-mamokatra , hoy ireo Vondron’orinasa maro eto Madagasikara. Efa taona maromaro no niresahana fa misy ny fandaharan’asa fanitarana sy fanatsarana ny tambajotran’ny herinaratra sy ny famokarana angovo azo havaozina, mandeha amin’ny herin’ny masoandro, saingy mitarazoka na misy famatsiam-bola hita aza. Vokany, tsizarizary ny famokarana sy ny tambajotra, kanefa sady lafo no mandoto ny famokarana amin’ny solika satria sady antitra no zara raha voakarakara, antitra sy tsy ampy fikarakarana ireo fitaovam-pamokarana amin’ny « hydroélectrique », ary tsy misy fiandry manana tanjaka ambony ; mbola tsy mahasehaka ary tsy marin-toerana ireo mandeha amin’ny herin’ny masoandro efa napetraka,... Manampy trotraka izany, mbola tototry ny trosa noho ny fividianana angovo sy fivarotana fatiantoka ny Jirama. Iantraikan’ny fiakaran’ny vidin’ny herinaratra midangana ny orinasa tsy miankina, mihena ny herijika fahafaha-mamokatra sy ny famokarana vokatry ny delestazy lava. Lasa tsy marin-toerana ireo mpampiasa vola anatiny sy iraisam-pirenena, tsy marin-toerana ny fampiasam-bola sy faharisian’ny indostria ho eto Madagasikara. Mila vahaolana maharitra izay efa noresahana an-taonany maro, ka isan’ny azo ampiharina tsara ny fidirana amin’ny angovo azo havaozina sy ny famokarana amin’ny herin’ny masoandro, toy ny tetikasa Sahofika izay afaka mamoaka 1 650 GWh isan-taona hanampy ny tambajotra iraisan’Antananarivo na RIA, izay nambara fa afaka miteraka fifandanjana ara-bola ho an’ny Jirama ; ny tetikasa Volobe izay heverina fa hampiditra 750GWh isan-taona ao anatin’ny tambajotra iraisan’i Toamasina na RIT. Ireo fanajariana roa lehibe ireo dia ahafahana mampiakatra maherin’ny 90% eo amin’ny sehatra nasinolany ny angovo azo havaozina avy amin’ny fitrandrahana ny rano ary tsy hampidi-trosa ny Fanjakana sy ny Jirama amin’ny fividianana solika, hampifandanja ny fikirakirana ara-bolan’ny Jirama, ahafahana manana tahirina CO2 maherin’ny 2 tapitrisa taonina isan-taona,… Vidian-dafo ny tsy fandraisan’andraikitra sy fitarazohana amin’ny fandraisana andraikitra, ary lasibatra hatramin’ny tontolo, ka fotoan’ny fanatanterahana ny asa izao, raha ny nambaran’ireo Vondron’ny orinasa maro dia maro. Nampahatsiahy ny antso maneran-tany tao anatin’ny COP28 ihany kosa izy ireo dia ny hampiakarana avo telo heny ny famokarana angovo azo havaozina hatramin’ny 2030, ka ho an’ny Firenena Afrikanina aza dia hatrany amin’ny avo dimy heny, raha ny voarakitra nandritra ny fihaonana an-tampony Afrikanina momba ny toetr’andro andiany voalohany tany Kenya ny septambra 2023.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT