Actualités

Angovo maitso Mandeha amin’ny ampombo sy akofa ny fatana Atiala


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Fatana Atiala miisa 1200 no vokarina orinasa kely iray isam-bolana ary hamidy etsy Ampandrana ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Raha ny fanazavana,

 

 

 

 

 dia akofa na ampombo mahery no ampiasaina aminy mba hisorohana fahasimban’ny tontolo iainana sy izay mety ho fahaseporana ateraky ny saribao vita amin’ny hazo. Raha ny fanamarihan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana moa dia areti-tratra vokatry ny setroky ny saribao vita amin’ny hazo avokoa ny 20%n’ireo trangam-pahafatesana isan-taona eto Madagasikara. 1 taona sy tapany ny faharetan’ity fatana ity ary mety hampihena ny fandaniana isan-tokantrano ho 20.000 ariary isam-bolana eo izany, raha toa ka 30.000 ariary no lany amin’ny saribao mahazatra, hoy hatrany ny fanazavana, satria 1000 ariary eo, ohatra, ny akofa iray gony.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT