Angovo azo havaozina

Trano maherin’ny 50 000 any SAVA hahazo herinaratra…


  • Alarobia 19 Jona 2024

Voasonia ny fiaraha-miombon’antoka ara-bola eo amin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny

fitantananam-bola sy ny KFW Banky Alema momba ny fampandrosoana amin’ny fanohanana ny tetikasa ERER III (Electrification Rurale par Energies Renouvelables phase III) mitentina 18 tapitrisa euros. Tanjona ao anatin’io ny hamatsiana herinaratra ireo faritra ambanivohitra mbola tsy misitraka izany ao anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny toekarena maharitra, miainga amin’ny fitrandrahana angovo any amin’ny Baie d’Antogil. Ny ADER (Agence de Développement de l’Electrification Rurale) Sampan-draharaha miantsoroka ny fampiroboroboana ny angovo eny ambanivohitra no hiantsoroka ny fanatanterahana ny asa, ka tanàna 170 amin’ny kaominina 138 ao anatin’ny distrikan’Andapa Sambava, Vohémar, ary Antalaha no hisitraka izany. Trano maherin’ny 50 000 no hisitraka an’io. Haharitra hatramin’ny 2029 ny tetikasa ERER III ary hitondra fihatsarana amin’ny fari-piainana ankampobeny sy hitondra fivoarana amin’ny tontolon’ny asa sy ny fidiram-bolan’ny mponina eny ambanivohitra ao anatin’ny Faritra SAVA, raha ny tatitra amin’ny ankampobeny. Voasokajy ho tetikasa fakan-tahaka mikasika ny fampandrosoana maharitra moa ity tetikasa ity, ka andrasana izany ny fahatanterahany. Vao omaly no notaterina teto fa firenena faha-9 maneran-tany fadiranovana ara-angovo i Madagasikara izay ny 36% amin’ny mponina no voalaza fa misitraka herinaratra. Mbola betsaka ny ezaka mila atao, ary mila mikaroka vahaolana ivelan’ny Jirama izay tena mbola ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny krizy isika. Zava-dehibe noho izany ny firosoana tsikelikely makany amin’ny angovo aza havaozina, ary mila velarina sy hampiroboroboana ny tetikasa manodidina an’izany, izay tsy tokony hionona sy hiantehatra lava amin’ny Fanjakana fa mila sokafana hivelatra amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny mbola olana eto Madagasikara mantsy ny endrika fangejana sy famatorana amin’ny famokarana miorina amin’ny solika ka mety hisy vondrona matanjaka ho voakitikitika tombotsoa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT