Nandray anjara tamina dinidinika momba ny firafitry ny fitantanam-bola sy ny fanentanana
ara-bola (Mécanismes financiers et incitations financières) ho an'ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara ny solontena Malagasy omaly 6 desambra 2023 tany Dubaï. Noresahana nandritra ity fotoana ity ny famatsiam-bola hanamorana ny fahafahana mampiasa ny angovo azo havaozina, ny mety ho anjara asan'ny famatsiana ny fiovan'ny toetrandro anatin'ny famatsiana ny angovo azo havaozina. Tanjon’i Madagasikara amin'ny taona 2030 ny hamokatra ny 85% amin’ny angovo azo avaozina amin'ny alalan’ny fifamenoana eo amin’ny akora fototra, ohatra ny rano sy ny masoandro, raha ny fanamby.
Nisongadina io nandritra ny famelabelaran-kevitra izay nandraisan’ny Malagasy anjara, ny ezaka atao sy ny dingana vita eo amin'ny sehatry ny famokarana angovo, mandritra ny COP 28 tanterahina any Dubaï. Nambara fa efa miroso amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo avaozina i Madagasikara amin'izao fotoana izao, izay vahaolana anisan’ny mahomby indrindra hampihenana ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr’andro. Hisy foibe famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro miisa 78 hatao amin’io taona 2024 io, hoy ny Mpitondra Malagasy. Tsara ny mampahatsiahy, fa manodidina ny 300 miliara isan-taona ny vola arotsaky ny Fanjakana amin’ny Jirama, kanefa mbola iaraha-mahita ny fitsipozipozian’ny famatsiana herinaratra eto noho ny antony maro. Hatreto mbola ny 70% eo ho eo amin’ny famokarana herinaratra no mandeha amin’ny toby miodina amin’ny solika. Raha ny vola natontona tao tao anatin’ny 5 taona fotsiny, dia mety efa nahafahantsika nanangana toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny riandrano. Andaniny dia manao tsindry sy mametraka fepetra amin’ny fampihenana sy fanafoanana tsikelikely ny fandrotsaham-bola amin’ny Jirama, ny solika,… ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.