Actualités

Angovo azo havaozina Manoka-baravarana i Allemagne


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Notanterahina tany Berlin Renivohitr’i Allemagne ny 28 sy omaly 29 martsa ny fifanakalozan-kevitra lehibe momba ny Angovo azo avaozina na BETD.23 (Berlin Energy Transition Dialogue) andiany faha-9.

Lohahevitra amin’izany ny hoe: “''Energiewende - Securing a Green Future'' na Firosoana amin’ny angovo azo havaozina, antoka ho an’ny ho avy ekolojika. Niatrika izany ny Minisitry ny Angovo sy akoran’afo Malagasy Solo Andriamanampisoa. Ambohipihaonan’ireo sangany amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina io, ary voasokajy ho atrik’asa goavana indrindra momba ny fifampiresahana iraisam-pirenena mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina. Nahatratra 2000 ireo mpandray anjara avy amin’ny firenena maherin’ny 90, ka 50 minisitry ny raharaham-bahiny niampy minisitry ny angovo sy sekreteram-panjakana, ary teo ihany koa ny mpandaha-teny hatrany amin’ny 100. Ho an’I Madagasikara manokana, omaly ny fotoana nandraisan’ny minisitry ny angovo Malagasy fitenenena, saingy tsy nandeha izany tamin’ny fotoana nanoratana. Ankoatra ny fandraisan’anjaran’I Madagasikara amin’io fihaonana avo lenta momba ny angovo io, manampy hatrany ity Nosy ity amin’ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina ny governemanta Alemà, amin’ny alalan’ny fandaharan’asa momba ny fiaraha-miasa ara-teknikan’i Allemagne dia ny GIZ PERER na ny Fampiroboroboana ny herinaratra any ambanivohitra sy ny angovo azo havaozina, izay iaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Angovo, hoy ny eo anivon’ny Masoivohon’I Allemagne.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT