Natomboka amin’ny oniversite, hiitatra amin’ny tranom-panjakana…
Naseho ofisialy ny sabotsy 6 desambra teo ny fitaovana vaovao famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro natolotry ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ho an’ny Oniversiten’Antananarivo, asa vita tao anatin’ny iray volana katroka. Fiovana sy fanovana ara-angovo, natao hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpianatra, mpampianatra ary mpandraharaha amin’ny fiatrehana ny fahatapahan-jiro, mba hahafahana manohy ny asa sy mampandeha ny raharaha rehetra eny amin’ny Oniversite. Mahatratra 370 ny panneaux solaires napetraka, manana tanjaka 590W isanisany, ary nisy onduleurs 6KVA miisa 40 sy batteries 7KWh miisa 60 nampidirina. Mahavita miantoka hatramin’ny 85% amin’ny filàna herinaratra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny fitaovana. Ankoatra izany, nisy jiro vaovao miisa 1500 napetraka, hanoloana ireo efa simba na mitsilopilopy, ary nisy « caméras de surveillance » miisa 144 ho fanaraha-maso ny fitaovana rehetra. Ho fanampin’izany, solosaina miisa 100 no nomena ho an’ny fitantanana ny Oniversite. Nantrintranterin’ny Filoha fa tsy ny Oniversiten’Antananarivo ihany no mahazo tombontsoa amin’izao tetikasa izao fa ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy, izay samy nomena herinaratra azo avy amin’ny masoandro hatrany amin’ny 1 MW. Nomarihiny, fa hafaliana ho an’ny Fanjakana ny mahita zavatra hatao ho an’ny mpianatra, ka izany no isan’ny nanomezana ireo trano eny Ivato, mba hiaina amin’ny zavatra tsara ny mpianatra. Fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha tsy miankina izao, ka ankoatra ny herinaratra, dia eo ihany koa ny « forage » na fandavahana lavadrano. « Tiako havoitra foana, fa misy ireo « génie » sy talenta sy manam-pahaizana Malagasy. Solosaina navaozin’ny manam-pahaizana Malagasy ireo natolotra, nahafahana nividy maromaro noho ny mividy vaovao, manan-talenta ny Malagasy, ary miezaka foana izahay miaraka amin’ny Filohan’ny fanavaozana mba hanapoitra an’izany mba hiverenan’ilay hoe mitondra avo ny voninahitra ny Malagasy. Miankina amin’ny tenantsika aloha isika, fa tsy zatra mangataka sy miantehitra foana amin’ny any ivelany », hoy kosa ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo.
HIITATRA AMIN’NY TRANOM-PANJAKANA
Ezaka mitohy ataon’ny fitondram-panjakana ny fivadihana tsikelikely amin’ny fampiasana angovo azo havaozina, tsy ho an’ny oniversite ihany fa hatramin’ny ministera sy biraom-panjakana rehetra, mba hampihena ny vesatry ny Jirama sy hialana amin’ny delestazy lava. Ho an’ny Lapam-panjakana Iavoloha manokana dia hanomboka amin’ny herinandro ho avy ny fametrahana panneaux solaires manana tanjaka 500KW, ary rahampitso talata dia hotokanana ihany koa ny an’ny SAMIFIN izay efa niroso amin’ny fampiasana panneaux solaires, raha ny nambaran’ny Filoha Randrianirina Michael. Tonga nanotrona ny Filoha tamin’ity fitsidihana teny Ambohitsaina ity ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Praiminisitra sy ny mpikambana maro ao amin’ny governemanta nahitana ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa izay mpiahy ny oniversite sy ny tetikasa,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.