Angovo azo havaozina

Hamokatra 1,4MW tobin’ny Hydromado ao Behenjy


  • Zoma 03 Mey 2024

Notokanana omaly 02 mey 2024 ny tobim-pamokarana avy amin’ny rano ao Behenjy, distrikan’Ambatolampy,

an’ny orinasa tsy miankina Hydromado. Manana tanjaka 1,4 MW sy mamokatra 900.000 KWh isam-bolana ity fotodrafitrasa ity, ary mamatsy herinaratra ho an’ny Fokontany Amboasary sy Morarano, ho an’ireo sekoly sy CSB manodidina, ary ny tambazotra iraisan'Antananarivo(RIA), raha ny fanazavana. Ny Filoham-pirenena moa no tonga nitokana izany, ka nilazana fa masoana ny fialana tsikelikely amin'ny famokarana herinaratra avy amin'ny solika izay andaniana 1.200 Miliara Ariary isan-taona, fa indrindra ho fitsinjovana ny tontolo iainana. Mitohy ihany koa ny fampisitrahana ny tetikasa « Branchement Mora » sy ny « Kits Solaires » ho an'ny Fokontany Amboasary. Ho tolorana « Kits » maimaim-poana ny isan-tokantrano, izay lavitry ny andrin-jiro, hoy i Andry Rajoelina. Finiavana avy amin’ny tsy miankina aloha no hita taratra, fa ny vahaolan’ny Fanjakana momba ny olan’ny angovo tsy dia hita. Ny fakana fihazakazahana amin’ny « branchement Mora » no hita taratra, fa ny famokarana herinaratra mifandraika amin’izany tsy dia hita, hany ka ny vesatra mitombo fa ny famokarana zara raha mitombo na tsy mihetsika na mihena mihitsy aza.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT