Actualités

Angaredona sendikaly” ataon’ny SSM Mety hiafara amin’ny fidinana an-dalambe


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Manomboka izao ny valaben’ny sendika eto Madagasikara na SSM dia hametraka fomba fiady vaovao, hoy ny sekretera jeneraly lefitr’izy ireo, Fama Razafimahazo.

Hanao ny antsoina hoe “Angaredona sendikaly” izahay, hoy izy. Tsy avelanay hiady irery intsony ireo mpikambana fototra ato amin’ny SSM. Ho ahiratray ny mason’ireo mpitondra mpanapa-kevitra. Ho sokafanay koa ny sofiny ary ho terenay izy handray fanapahan-kevitra mifanandrify amin’ny famahana ny olan’ny mpiasa. Na hiafara amin’ny fidinan’ny sendika an-dalambe aza dia ho ataonay izany. Efa tapitra tamin’ny 15 janoary ny fetra. Tsy mbola misy hatramin’izao ny valin-teny mahafa-po. Tsy misy akory na ny endrika ho famahana ny olana. Ho avy izahay na rahampitso dia rahampitso aza fa fandaminana fotsiny sisa atao. Mila fandinihina lalina anefa ny fanapahan-kevitra ho raisina, hoy hatrany ny tenany. Tapaky ny SSM ny sabotsy teo tao Antsahamanitra moa fa manome iray volana ny fitondrana izy ireo hamahana ny olany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT