ANGARANGARANA ARIVONIMAMO

Taksibrosy iray nahatrarana rongony 12 kg


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2023

Fiara fitateram-bahoaka sy entana ara-dalana iray avy aty Antananarivo ho any Tsiroanomandidy no fantatra fa

voasakan'ny zandary misahana fifamoivoizana teny Angarangarana Arivonimamo ny faran’ny herinandro teo. Rehefa nojerena teny ambony fitoeran'entana ka nosavaina dia nahitana fonosan-drongony milanja 12 kilao. Notanana natao fanadihadiana avy hatrany ny tompon'ny entana noho izany raha nogiazana hodorana eo anatrehan'ny manam-pahefana kosa ny rongony aorian'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Tsy nijanona teo ny raharaha notazomina ambala fanasaziana mandritra ny 10 andro ihany koa ilay fiara. Tany amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 51+500 moa no nahatrarana ity fiara fitateram-bahoaka ity raha tsiahivina.

 

Pati
Legende Ity ilay fiara fitateram-bahoaka sarona nitondra ilay rongony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT