Actualités

Andry Ramaroson Tale jeneralin’ny MEH “Misy tsy miray loha ny mpiasan’ny Jirama!”


  • Talata 29 Septambra 2020

Maro ny olana ao amin’ny orinasa Jirama, hoy ny tale Jeneralin’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo (MEH), Andry Ramaroson. Resaka fandrindrana asa na “coordination” angamba no anazavako azy, hoy izy.

 

 

 

 Misy olana ara-bola, olana ara-kasa hoe misy mpiara-miasa tsy mifankatia na tsy miray loha. Misy olana ara-pitantanana koa, hoy izy, ary manaraka akaiky izany izahay ao amin’ny minisitera. Mahita tsara hoe ahoana, raha tsy hilaza afa-tsy ireny fitantanana ny solika ireny. Ny jirontsika miodina amin’ny solika dia betsaka ny fandrindrana tsy mipetraka. Mety mbola mianatr’asa koa angamba ny tale maromaro mitondra ao. Rehefa tsy misy, hoy hatrany izy, izay “coordination” dia tsy hisy mandeha amin’ny laoniny ao. Toy ny fiarakodia io. Na tsara tahaka ny ahoana aza ny motera sy ny fahaizan’ny mpamily ka rehefa tsy mamely ny kodiarana dia ho tratry ny lozam-pifamoivoizana foana. Na tsara aza ny fiara ka tsy manam-bola anaovana solika dia tsy ho lasa lavitra io. Toy izany no misy ao amin’ny Jirama, hoy izy. Toy izany koa ilay resaka mpiara-miasa teo hoe alaivo sary an-tsaina ihany hoe anaty fiara iray dia mifamaly ny mpamily sy mpandeha ka raha tokony hianavaratra dia lasa miakandrefana dia eo vao tonga saina hoe tokony tary kay. Mila mahatsapa tena izay mpitondra ao amin’io orinasa io, hoy izy, fa mila mahatsapa tena koa ny mpiasa. Orinasam-panjakana io ka aza variana amin’ilay karama raisina isam-bolana ihany fa adidy amin’ny vady aman-janaka sy fiarahamonina io matoa ianao niditra tao. Aoka tsy hijery fihaviana sy loko politika. Mety hiteraka tsy fahamarinan-toerana ho an’ny fitondrana ankehitriny, hoy hatrany ny tenany, raha tsy voavaha io olan’ny Jirama io. Izaho anefa, hoy izy, matoky fa raha mitaha amin’ny olana hatrizay dia azo atao tsara ny mamaha an’io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT