Azo tsaboina tsara ny Coronavirus ka tsy tokony hampatahotra, fa ny fiparitahany be no manahirana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo.
Azo atokisana tanteraka ny valim-pitiliana azo eto amin'ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM), hoy izy satria manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ary mamoaka sy mampita izany ara-potoana izy ireo. Nohamarinin'izy ireo fa azo antoka ihany koa ireo antontan'isa ofisialy avoaky ny fitondram-panjakana . Mankasitraka azy ireo amin'ny ezaka sy fandavan-tena asehony amin'izao ady atrehina izao, hoy hatrany ny Filoha izay nitsidika sy natao fitiliana teny amin’ny IPM ny sabotsy teo, ka “negatif” ny valiny, salama tsara izany ny filoha; na izany aza tsy maintsy mbola hamerina fitiliana aho hoy izy.Tsy maintsy nanao fitiliana aho, mba hisindan’ny ahiahy hoy ny filoham-pirenena ary manentana ireo olona tokony hanao izany mba tsy hisalasala na ho menatra fa adidy amin’ny fiarovana ny mpiara-monina sy ny tanindrazana izany.
150 ka hatramin’ny 200 isan’andro
Sarotra ny fitiliana eny amin’ny laboratara, rehefa tonga ny “prélèvement” tsy hoe tonga dia ampidirina ao anaty laboratoara dia vita ny asa. Misy dingan’asa tsy maintsy andalovana, toy ny famonoana virus, izay vao miditra any amin’ny fitiliana. 150 hatramin’ny 200 raha be indrindra isan’andro no vita etsy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) raha ny fanazavan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Homena fiofanana ny bilogiste Malagasy mba afaka hanao ny fitiliana ihany koa hoy ny teniny. Saropady io, fa rehefa mahavita fiofanana ireo dia mety hahavita 800 isan’andro isika, hoy hatrany izy . Na mbola tsy marary sy mampiseho tsy fahatomombanana aza, dia tonga dia hita. Ny “test rapide” indray dia efa marary ao anatin’ny fikotrehan’ny aretina 7 hatramin’ny 14 andro. Ho an’ireo olona ahitana soritr’aretina: mikoha-maina, miakatra ny maripana,… dia afaka mankany amin’ny hopitaly hatao “test rapide”. Raha ny zava-misy ivelan’Antananarivo, dia “negatif” avokoa, izany hoe tsy voan’ny Coronavirus ny an’ireo olona avy any ivelany natao fitiliana tany Mahajanga. Tsy misy olona mitondra ny covid 19 ireo avy any ivelany ka mipetraka any an-toerana, hoy i Andry Rajoelina. Mbola haverina hatao test ihany anefa ireny. Ny any Toamasina, Toliara, Fianarantsoa, Antsiranana, dia efa any amin’ny IPM ny “test” rehetra, ary anio no ho azo ny valiny. Misy tranga iray any Morondava. Efa noraisina an-tànana ilay ramatoa ity, ary efa tsaboina tsara.
Azo tsaboina, Azo itokisana
Toky R sy Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.