Andry Rajoelina

Inona indray no holazainy anio ?


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Ho vahinin'ny Televiziona Malagasy (TVM) mandritra ny fotoana fampahalalam-baovao anio 19 jona 2025

amin'ny 8 ora alina, ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidian'ny Repoblika omaly. Inona indray no ambarany sy horesahany ? Haneho fiaraha-miory manoloana ny fahafatesana olona marobe noho ny fanapoizinana ara-tsakafo ? Hanambara fisaonam-pirenena ve ny Fitondrana izay toa tsy mba nanao izany firy tamin’ireo tranga maro samihafa niseho namoizana aina Malagasy maro izay tsy dia fantatra mazava ny antony !? Hitanisa ireo ambara fa fandraisan’andraikitry ny Fanjakana ? Samy miandry izay hambaran’i Andry Rajoelina indray manoloana ny fiainana ara-tsosialy sy olana ara-toekarena samihafa, izay toa tsy hita izay tena fahaiza-miatrika sy fahaiza-mamaha olan’ny Fanjakana. Mivaivay ny olana toy ny delestazy izay miteraka fahapotehana ara-toekarena maro, miteraka famoizana aina any amin’ny hopitaly,… saingy toa kabary sy fampanantenana no betsaka. Ny vahoaka miaina anaty krizy lalina fa hanao hotely kintana 5 miisa 5 izay tsy anjara asan’ny Fanjakana no re mivoaka amin’ny vavany. Ny olona tsy an’asa sy tsy manan-kohanina fa ny filazana fa mandeha an-tsakany sy an-davany ny fanomanana ny Fivorian’ny SADC no tanisaina,… Dia asa indray izay holaziny anio, fa ny zavatra hita sy tsapa aloha dia toa tsy maharototra intsony ny Malagasy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT