Andry Concept

«Mba tsy ilay mpanao politika dinozaoro aloha kanefa…»


  • Talata 21 Oktobra 2025

Tsy te hiresaka mihitsy aho kanefa

tena tsy maintsy manao ihany, hoy ny mpandraharaha isan’ireo lasibatry ny fanonganam-panjakàna notarihin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Nirina Rajoelina, ny taona 2009, Andry Herinjaka Ranaivo na Andry Concept. Nahazo Praiminisitra vaovao isika fa mba teniko ho anareo mpitantana ny «refondation» na fanorenana, hoy izy. Tadidio fa «refondation» no anarana entina ka tena manantena fiovana amin’ny lafiny rehetra kanefa tsy hitako loatra! Nekena sy nankatoavin’ny maro ianareo tonga teo satria olona tsotra tsinontsinona ohatran’ny malagasy rehetra. Toy ny «Révolution de la classe ouvrière» na ny hetsiky ny mpiasa izy tany Brésil kanefa vao tonga ianareo dia tsy ireo malagasy mametraka anareo sy mitovy fomba fisainana amin’ny maro an’isa no noraisinareo fa «expert» na «manam-pahaizana» teo aloha ihany. Raha navita ny lazaina fa «expert», efa tsy nahantra intsony i Madagasikara. Maro ny gasy kely mahavita. Ny orinasa malagasy kely PME sy PMI ireny no afaka mampandroso an’i Madagasikara fa tsy ny ngeza tsy hijanona eto ireny. Tsy ny FIVPAMA sy ny GEM mihitsy. Mifona amin’ireo namana sasany izaho fa tsy endrika no ilaintsika fa votoaty. Vao eo amin’ny praiminisitra ianareo dia efa izay dia mbola izay koa ny minisitra sy ny ambiny. Faranako fa manjary lasa mandray am-po aho amin’ilay izy. Aza mandiso fanantenana! Tadidio fa 2025 isika izao vao mivoaka ny anarana dia hita daholo ny momba azy sy ny lalana nalehany! Feno sary any mandehandeha any. «Génération FB» no nahatonga anareo teo ary mbola «Génération FB» ilay disoanareo fanantenana. Mba tsy ilay mpanao politika dinozaoro aloha kanefa…, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT