Hifantoka amin’ny tsy fanahiana sy tsy firaisana tsikombakomba amin’ireo heverina ho fahavalom-piarahahamonina ny lohahevitra mandritry ny
fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety amin’ity taona ity. Fanaovan-gazety tsy misy tahotra sy tsy miray tsikombakomba, io no lohahevitra naroson’ny sampan-draharaha iraisampirenena misahana izany na Unesco ho amin’ny fankalazana ny 3 mey 2020. Mazava ho azy fa adihevitra tsy maintsy hifantohana ao anatin’izany ny lafiny fahatomombanana na tsy fahatomombanan’ny atao hoe demokrasia ao anatin’ireo firenena misy izay fanaovan-gazety izay eto ambonin’ny tany. Ho an’i Madagasikara dia tsiahivina fa tsy nihetsika teo amin’ny laharana faha 54 amin’ireo firenena miisa 180 isika eo amin’izay lafiny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay raha ny tatitry ny rafitra iraisampirenena RSF na “Reporters sans frontières” azy. Izany hoe tsy mbola nisy fihatsarana sy fivoarana aloha hatreto io lafiny fahalalahana io raha ny eto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.