Mirongatra sy mahazo vahana ny fanolanana eto amintsika. Zazavavy kely miisa 3 indray no naolan’ny lehilahy iray 28 taona efa manam-bady aman-janaka teny Androtrakely, Boriborintany faharoa tao anatin’ny fotoana vitsy.
Notambazan’ity lehilahy ity vola ireo ankizy, ary safoiny, raha araka ny fanazavan’ireo ankizy tamin’ny Ray aman-dReniny ka rehefa voasafony dia ohatra ny tsy tonga saina intsony. Entin’ity mpanolana ity any an-tranony amin’izay ireo ankizy aorian’izany mba hanaovany ny filan-dratsiny. Zaza iray nitaraina ho naharary kibo moa no nampipoaka ny tantara ka rehefa nosavaina dia hita fa nisy nanolana tokoa. Nentina nohamarinin’ny mpitsabo izany ka tena voaporofo tokoa. 11 taona moa no zokiny indrindra amin’ireto zaza voaolana ireto izay marihina fa iray tanana avokoa. Raha araka ny fanazavan’ireo olona mahalala ity lehilahy ity sy miara-monina aminy moa dia olona tsotra sy tsy dia be teny ilay mpanolana, kanefa dia nahavita zava-doza tahaka izao. Omaly ihany dia efa nosamborina ny lehilahy. Zazavavy kely iray ihany koa moa no saika efa tratrany saingy nahay nitsoaka. Gadra 5 ka hatramin’ny folo taona moa no mety hiandry ny mpanolana raha araka ny fanazavan’ny mpahay lalana iray ary mety ho tonga hatrany Tsiafahy mihitsy ny famonjana azy fa tsy eny Antanimora intsony.
Pati
Legende : Ity ilay mpanolana tsy nampoizina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.