Actualités

Androndra Nidoboka eny Antanimora ilay mpanolana


  • Alatsinainy 09 Novambra 2020

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora tamin’ny sabotsy teo ilay lehilahy nanolana zaza miisa 3 teny Androndrakely, Boriborintany faharoa ny volana Oktobra lasa teo.

 

 

Ny Polisy miasa ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny zaza tsy ampy no nandray an-tanana ny raharaha ny 05 novambra lasa teo taorian’ny fitarainan’ireo Ray aman-dRenin’ilay ankizy. Raha tsiahivina dia 10 taona ny roa amin’ireo zaza ireo raha 11 taona kosa ilay iray. Nitaraina no narary kibo isan’andro ny iray raha nahitana lio nikoriana avy ao amin’ny fivaviany kosa ny iray. Tsy naharitra izany ireo ray aman-dreniny ka nijery ny tao amin’ny fitaovam-pananahany ka hitan’izy ireo tokoa fa nisy nanolana ilay tsy manan-tsiny. Ny 05 novambra teo ihany nandritra ny fitorian’ireo Ray aman-dReny moa no nidina avy hatrany ny polisy. Rehefa nanontaniana ireo zaza lasibatra dia tsy nisalasala nanondro ity lehilahy ity. Raikitra avy hatrany araka izany ny fisamborana io lehilahy io. Tamin’ny sabotsy teo no natolotra ny fitsarana ny raharaha. Tsiahivina moa fa tambatambazan’ity lehilahy ity vola ary omeny vary atoandro ao aminy ireo zaza tsy manan-tsiny ireo mba hahafahany manao ny filan-dratsiny. Mandeha mivarotra mantsy ilay vadiny. Na izany aza tsy nanaiky ny fiampangana azy izy.

 Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT