ANDRO RIRININA

Nihena an-tsasany ireo olona tonga miety volo


  • Alarobia 05 Jona 2024

Nihena an-tsasa-manilabe izao ny isan’ireo olona tonga miety volo eny amin’ny mpanety indrindra fa ny lehilahy

amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Noho ny hatsiaka diso tafahoatra efa niainana iray volana izao no voalaza fa anton’izany ka mahakamo ireo voakasika. Aleon’ireo lehilahy sasany noho izany manalavalava volo kely indrindra fa ho an’ireo tsy zatra miety matetika. Hampiasa satroka ba aza hataony ho an’ny sasany. Ho an’ireo tsy maintsy miety kosa fa efa zatra dia mitohy hatrany izany. Indroa isan-kerinandro no tsy maintsy mandalo ireto farany. Raha 20 isan’andro noho izany ireo lehilahy tonga miety volo dia lasa 10 isan’andro sisa amin’izao. Manomboka amin’ny 1500 Ar kosa ny manety lehilahy iray raha 2500 Ar no lafo indrindra miankina amin’ny halavan’ilay volo. Tsiahivina moa fa mbola haharitra 3 volana ny ririnina eto amintsika, izany hoe : tsy hifarana raha tsy any amin’ny faran’ny volana Aogositra mandray Septambra any ho any.
Pati
Legende : Zara raha mahazo vola entina mody ny mpanety amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT