ANDRO RATSY

Namela takaitra mavesatra ao Morombe


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Mitondra takaitra mavesatra vokatry ny fandalovan'ilay andro ratsy tao

amin’ny lakandranon'ny Mozambika ny distrikan'i Morombe. Dibo-drano tanteraka ny tanàna, miaina ao anaty rano avokoa ireo mponina , tranga niseho ny faran’ny herinandro teo. Simba daholo ihany koa ny fambolena rehetra eny an-tsaha, potika ny asa fivelomana. Ho an’ity farany manokana dia tsy afaka mivoaka eny an-dranomasina ireo mpiandriaka noho ny toetr'andro ratsy hany ka mosera tsy misy sakafo ny ankamaroan’ny isan-tokantrano nefa ny fahasahiranana ateraky ny rano miakatra ihany koa efa mila tsy ho zaka. Miangavy ny Fitondram-panjakana noho izany ireo mponina mba hijery akaiky azy ireo. An-jatony moa ireo fantatra fa efa tsy afaka mipetraka ao amin’ny trano fonenany intsony hatramin’ny omaly no sady tsy misy sakafo hohanina.
Pati
Legende : Hatreny am-balaban’ny lehilahy matanjaka tahaka izao ny rano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT