ANDRO RATSY MIFORONA

Tsy ahiana hiditra an-tanety


  • Talata 26 Martsa 2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Tany amin’ny 168 Km Avaratra Atsinanan’ny distrikan’ i Vohemar no nisy ny foibeny omaly Alatsinainy 25 Martsa folakandro izay mitondra rivotra 45 km isan’ora, miampy tafiotra 55km isan’ora. Na izany aza dia tsy ahiana hiditra an-tanety ity andro ratsy ity, raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro na dia vinavinaina hivoatra 100 km miala ny morontsiraka aza ny heriny. Nomarihin’ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro moa fa noho ny herin’ny varatraza no antony mampahery vaika ny rivotra any amin’ny faritra avaratra. Ilay andro ratsy kosa no miteraka ilay ranon’orana any avaratra atsinanana sy afovoany atsinanana. Arahi-maso akaiky ny fivoaran’ity andro ratsy ity ato anatin’ny 2 andro izay efa sady nahazo anarana ihany koa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT